Safira

Ny safira dia vatosoa sarobidy, karazan' ny vatosoan' ny kôrindôna na kôrondôma izay mety miseho amin' ny loko maro, afa-tsy ny loko mena (ny kôrindôna mena dia antsoina hoe vatomena na robisy). I i Jacques Louis de Bournon no naneho fa iray ihan ny safira sy ny kôrindôna. Misy ôksida-na viraty (na alominina α-Al2O3) sady ahitana singa bitika maromaro toy ny vy, ny titanina, kôbalta, firaka, krôma, vanadiôma, maneziôma, bôrôna (na bôra) ary silisiôma ny safira.

Safira tsy voasa

Ny anarana hoe safira dia avy amin' ny teny latina hoe sapphirus izay avy amin' ny teny grika hoe σάπφειρος / sappheiros, izay manondro ny lapisy-lazoly.

Matetika ny safira no miloko manga ka izany no intsoan' ny Malagasy azy hoe "vatomanga", nefa mety miseho amin' ny loko mavo, volomparasy, volomboasary ary maitso koa. Misy koa ny safira maneho loko maro miaraka. Misy koa ny kôrindôma mena, saingy antsoina hoe vatomena na robisy ​​fa tsy safira. Ny kôrindôna miloko mavokely dia azo sokajiana ho vatomena ​​​​na safira arakaraka ny toerana misy azy.

Amin' ny ankapobeny, ny safira voajanahary dia asaina sy ampalamaina ho tonga vatosoa sy hanaovana firavaka. Ny safira koa dia azo foronina ao amin' ny labôratoara ho amin' ny tanjona indostrialy na hatao haingon-trano amin' ny bola-na kristaly lehibe.

Noho ny hamafin' ny safira miavaka - 9 amin' ny maridrefin' i Mohs (mineraly fahatelo mafy indrindra, aorian' ny diamondra manana hamafy 10 sy ny môisanita mananan hamafy 9,5) - ny safira dia ampiasaina amin' ny fampiasana sasany tsy momba ny fanainaingoana, toy ny singa mandrafitra bt fitaovana ôptika mampiasa taratra ambanin' ny mena, varavarankely, kristaly ao amin' ny famantaranandro, ary amin' ny mikrôelektrônika.

Toerana misy tahirin-tsafira

Sarintany maneho ireo firenena mpamokatra safira be indrindra eran-tany.

Hita any amin' ny firenena maro ny tahirin-tsafira manga. Ohatra amin' izany i Etazonia sy i Kanada izay manana tahiry vitsivitsy ahitana ilay kôrindôna manga. Na izany aza dia hita indrindra any amin' ny faritra trôpikaly mando io vato io. Eto Madagasikara (tahirin' i Ilakaka) sy any Srilanka ary any Mianmara (na Birmania) no tena ahitana azy, nefa ahitana azy ny any Sina, ny any India, ny any Brezila, ny any Tailandy ary ny ao Afrika. Ny ankamaroan' ny hita ao Srilanka dia karazana safira izay tsy misy vidiny firy amin' ny toetrany voajanahary, nefa mety hitovy vidy amin' ny safira lafo vidy aorian' ny fikarakarana azy amin' ny hafanana.

Ny faritr' i Kashmir (aritra itambaran' i India sy Pakistàna ary Sina) sy Srilanka no malaza indrindra amin' ny safira manga, mirona mankany amin' ny volomparasy ny lokon' ny safira any Kashmir ary manga mamirapiratra ny any Srilanka.

Jereo koa