Fiteny filipinô

Ny fiteny filipinô dia iray amin' ireo fiteny ôfisialy roa ao Filipina, ny faharoa dia ny fiteny anglisy. Mifototra amin' ny fiteny tagalôga, izay fiteny ao amin' ny vondrona malaiô-pôlineziana ao amin' ny fiteny aostrôneziana, ny fiteny filipinô. Olona 17 tapitrisa no manao azy io ho tenin-dreny ary olona 50 tapitrisa ho fiteny faharoa.

Tamin' ny 13 Nôvambra 1937 no nanapahan' ny Antenimieram-pirenen' i Filipina ny hanangana Ivontoeran' ny Fitenim-Pirenena mba hamolavolana fiteny ôfisialy. Voafidy avy amin' ny fitenim-paritra maro ao Filipina ny fiteny tagalôga mba hatao fototra iaingana. Ity fiteny ity no lasa fiteny filipinô tamin' ny taona 1961 talohan' ny nahatongavany ho fiteny ôfisialy tamin' ny taona 1973.

Tena akaiky ny fiteny tagalôga any amin' ny faritr' i Manila ao amin' ny nosy Luzon ny fiteny filipinô. Voaforon' ny teny maro nindramina avy amin' ny fiteny espaniôla sy amin' ny fiteny hafa ao amin' ilay vondronosy anefa ny voambolana ao aminy.

Tany am-boalohany dia nisy litera 31 ny abidy filipinô, anisan' izany ny litera 26 amin' ny abidy latina sy ny litera ñ, ll, rr, ch nindramina tamin' ny fiteny espaniôla ary ny litera ng tagalôga. Amin' ny fampiharana dia misy litera roa mifampibaby efa ao amin' ireo litera fototra 26 ireo litera ireo. Tamin' ny taona 1987 dia nohavaozina ny abbidy ka lasa nisy litera 28: ny litera fanampiny ñ sy ng ihany no voatazona.

Ny ankamaroan' ny vahoaka filipina monina any an-tanàn-dehibe dia miteny filipinô sy anglisy ankoatra ny fiteniny eo an-toerana. Tsy dia marina loatra izany any amin' ny faritra mitoka-monina kokoa ao amin' ilay firenena. Saika nanjavona ny fiteny espaniôla ary tsy velona afa-tsy amin' ny alalan' ny indran-teny maro.