Fiteny malaiô-pôlineziana

Ny fiteny malaiô-pôlineziana dia sampana lehibe indrindra amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana, fiteny ampiasaina hatrany andrefan' ny Ranomasimbe Indiana mamakivaky an' i Azia Atsimo Atsinanana, ka hatrany atsinanan' ny Ranomasimbe Pasifika. Ny fiteny hafa ao amin' io fianakaviana aostrôneziana io dia ao amin' ny vondrom-piteny fôrmôzàna izay ahitana sampana maro.

Tamin' ny taonjato faha-19 no nampiasana ny andian-teny hoe malaiô-pôlineziana, ka nenti-nanondro ny fitambaran' ny fiteny ao amin' io fianakaviana io, nefa tsy natao anisan' izy ireo ny fitenin' ny vahoaka atao hoe Melaneziana.

Izao ny zana-bondrom-piteny malaiô-pôlineziana:

Ilay Italiana Antonio Pigafetta izay niara-dia tamin' i Magellan tamin' ny diany manodidina ny Tany tamin' ny taona 1519 hatramin' ny 1522 no nahazoana ny voambolana tranainy indrindra ao amin' ny fiteny malaiô-pôlineziana roa, dia ny fiteny maley sy ny fiteny malagasy. Nahatsikaritra ny maha iray fianakaviana ireo fiteny roa ireo i Pigafetta.

Fafana ampitahana ny fiteny malaiô-pôlineziana samihafa

Fiteny malagasy*(Madagasikara)Fiteny ma'aniany

(Indônezia)

Fiteny maley (Indônezia,Malezia)Fiteny javaney tranainy (Indônezie)Fiteny seboanô na visaiana (Filipina)Tagalôga

(Filipina)

Fiteny fotoniana

(Oalisy-sy-Fotona)

Fiteny tahitiana

(Pôlinezia Frantsay)

Fiteny fototra iraisana
isa, irayisa, eraisatu-sa, tunggalusaisatasitahi*esa, *isa
roaruehduarwa, roduhadalawaruarua*duha
telotelutigatelutulotatlotolu, torutoru*telu
(iz)aho, -koaku, -kuaku, -kuako, -koako, -ko-akô, akinau, avau, -kuau, vau*i-aku
ianao, -naohanyu, -nyuengkau, -kauko, ngko, koweikaw, -kawikaw, iyoakoe, keeoe*i-kahu
izy, -nyhanye, -nyeia, dia, -nyasirasiyasiya, niyao-ia, iaona*si-ia
lanitralangitlangitlangitlangitidemrangira'i*langit
volanawulanbulanwulanbulanbuwanmirama'āva'e*bulan
masoandromateandraumatahariariadlawarâwlamahana*ha(n)daw
androandrauharidinaadlawarawao, asoao, mahana*qalejaw
alina(ka)malemmalamwengigab’igabibo, poo’uli*bengi
taonatauntahuntahuntu'igtaôntaumatahiti*taqun
tanytanetanahtanahyutalupakere, kelefenua*tanaq, *taneq
rano, (farihy)ranu, (danaw)air, (danau)wway, (ranu)tubig, (lanaw)tubig, (ilog)wvai, (namo)vai, pape*danum, (*wai)
oranauranhujanudanulanùlanuaua*quzan
vatowatubatuwatubatobatôfatu'ōfa'i*batu
afoapuyapiapuykalayoapôyafiahi, auahi*hapuy
hazo,kakazo, -kazo, alakakaw, jumpunkayu, hutanalaslasangkahôy, gubatla’au, 'arauru ra'au*kayuh, *alas
ravinarawendaunrondahondahonrau, laurau'ere, rao'ere*dahun
voawuabuahwwahbungabûngafuamā'a hotu*buaq
tadytaditalitalipisilubidtaula, vavataura*talih
voronawurungburungmanuklanggamibonmanumanu*manuk
anaranangaran(nama) ngaranjenengngalanpangalaningoai'oa*ngayan
olonaulunorang, (ulun)uwongtawotaòtangatata'ata*tau
(lehi)lahyupulaki-lakilananglalakilalaketanetane*laki
(vehi)vavy,viavywaweybini (épouse)wadon, wedokbabayebabaefafinevahine*bahi
(z)anaka, zazaiaanakanakbatabatàtamatama, tamari'i*anak
lohaulu'huluhuluuloulôuru, uluupo'o*qulu
volowulubulubulubuhôkbalahibo, buhokfulu, furuhuruhuru, rouru*buhek
hoditrakuditkulitkulitpanitbalâtkili, kiri'iri*kulit
trano, (levo), valalewubalai (pavillon)balebalaybahayfalefare*humaq,*balay
tafohapauatapatepatupbùbôngato, inakitapo'i fare*qatep
lalanalalanjalandalandalandaânala, retuara, 'ē'a*zalan
(mi)hinana, homanakumanmakanmanganmokaonkàinkai, omaki'amu, tāmā'a*kaen
misotro, (minona)ngo’otminumngombemoinuminòminuinu*inum
(ma)handro / masakanandruk(me)masakmasak(mag)lutolutòhkavi'eu, tunu, 'ama*tanek,*zakan
(mi)tononutung(mem)bakartunusunugonihawtungia, tututunupa'a*tunu
(ma)tory, mandrymandretidurturukaturogtulogmoe, moeruamoe, ta'oto*tidu(r)
velonabelumhidupuripmabuhimabuhay, buhaymouriora*ma-hudip
matymateymatimatimamataymamatay, pataymatemate, pohe*matay
mamonomanuh(mem)bunuhmatenimopataypumatayjiaka mateha'amate, ha'apohe*bunuq
(ma)fanamalaingpanasmapanasinit, alimuotinit, banasmafanaahuahu, ve'ave'a*ma-panas
fotsymahilakputihputihbutipùtihkengo, tea'uo'uo, teatea*ma-putiq
maintymaintemhitamirengitumitimuli, uri'ere'ere*ma-qitem
vaowa’ubaruanyarbag'ôbagofou'āpī*ma-baqu
ity, iny, iryiti, iruini, ituiki, ikukini, kanaito, ètotenei, tenateie, tena, tera*i-ni, *i-na

Zana-tsampan' ny sampam-piteny malaiô-pôlineziana

Fiteny malaiô-pôlineziana andrefana

Ny fiteny malaiô-pôlineziana andrefana dia ireo fiteny aostrôneziana rehetra tenenina eto Madagasikara, any Azia Atsimo-Atsinanana an-tanibe, any Filipina, ao amin' ny Nosy Sunda Lehibe (anisan' izany ireo nosy kely mifanila aminy), any Bali, any Lombok, any amin' ny tapany andrefan' i Sumbawa, any Palau ary ny amin' ny Nosy Mariana. Satria tsy misy endri-javatra izay mamaritra tsara ny fiteny malaiô-pôlineziana andrefana ho zana-bondrona, dia nilaozan' ny fanasokajiana vao haingana izany.

Fiteny malaiô-pôlineziana afovoany-atsinanana

Ny fiteny malaiô-pôlineziana afovoany-atsinanana dia ahitana fiteny miisa 700 mahery, izay mizara ho fiteny malaiô-pôlineziana afovoany sy fiteny malaiô-pôlineziana atsinanana.

Fiteny malaiô-pôlineziana afovoany

Ny fiteny malaiô-pôlineziana afovoany dia tenenina any amin' ny Nosy Sunda Kely sy Maluku ao amin' ny Ranomasin' i Banda, any amin' ny faritra mifanitsy amin' ny faritany indôneziana any Nusa Tenggara Atsinanana sy Maluku ary ny firenena Timôro Atsinanana (afa-tsy ny fiteny papoana ao Timôro sy ny manodidina), fa miaraka amin' ny fiteny bima miitatra hatrany amin' ny tapany atsinanan' ny Nosy Sumbawa ao amin' ny faritanin' i Nusa Tenggara Andrefana sy ny fiteny sola ao amin' ny Nosy Sula any amin' ny zoro atsimo-andrefan' ny faritanin' i Maluku Avaratra. Ny nosy lehibe indrindra amin’ io faritra io dia i Sumbawa, i Sumba, i Flores, i Timor, i Buru, ary i Seram. Ny fiteny manan-danja indrindra amin' ny isa dia ny fiteny ngahy mbojo (fiteny bimana), ny fiteny fangaray any andrefan' i Flores, ny fiteny oabo meto any Timôro Andrefana, ary ny fiteny tetoma izay fitenim-pirenen' i Timôro Atsinanana.

Ny fiteny malaiô-pôlineziana afovoany dia fantatra amin' ny ankapobeny ho teny mahafaoka ireo fiteny tsy malaiô-pôlineziana atsinanana ao anatin' ny fiteny malaiô-pôlineziana afovoany-atsinanana, izay mamorona fatorana fa tsy zana-tsampana manan-kery. Maro amin' ireo endri-toetra aroso hamaritana ny fiteny malaiô-pôlineziana afovoany no tsy hita any amin' ny faran' ny faritra ara-jeôgrafia.

Fiteny malaiô-pôlineziana atsinanana

Ny faritra itenenanana ny fiteny malaiô-pôlineziana atsinanana dia manomboka amin' ny morontsirak' i Halmahera mamakivaky an' i Pasifika. Mbola mampiady hevitra ity zana-bondrona ity satria mifototra amin' ny porofo ara-boambolana fotsiny, tsy misy fanavaozana ara-peon-teny iombonana. Mifanohitra amin' izany kosa ireo sampana roa, dia ny fiteny halmahera amin' ny tapany atsimon' i Ginea Vaovao Andrefana sy ny fiteny ôseanika, izay samy voafaritra tsara amin' ny fanavaozana ara-peon-teny sy ara-boambolana, ary ekena eran' izao tontolo izao ho zana-bondrona manan-kery.

Jereo koa